Alatsinainy 05 aogositra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!
Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko teo an-tranon'ny Tompo, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Ananiasa, mpaminany, zanak'i Azôra, avy any Gabaona, nanao hoe: “Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'i Israely: Efa notapahiko ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilôna. Roa taona sisa dia haveriko amin'itý fitoerana itý ny fanaka rehetra tao an-tranon'ny Tompo nalain'i Nabokodônôzôra, mpanjakan'i Babilôna, avy amin'itý fitoerana itý, ka nentiny ho any Babilôna. Ary hampodiako amin'itý fitoerana itý i Jekôniasa, zanak'i Jôakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny babo rehetra amin'i Jodà lasa tany Babilôna — teny marin'ny Tompo, — fa hotapahiko ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilôna.”
Halaviro ahy ny lalan'ny lainga; ny lalànao no aoka hanenika ahy! Aza alàna amin'ny vavako ny tenim-pahamarinanao: fa ny satanao no antenaiko!
Aoka hitodika amiko izay matahotra Anao, sy mahalala ny fanambarànao! Ho amin'ny fitsipikao anie ny foko tontolo! tsy ho azon-kenatra aho!
Mikendry hamely ahy ny olon-dratsy: fa ny fanambaranao no hadihadìko! Tsy mba miala amin'ny satanao aho; eny, Ianao tokoa no mampianatra ahy!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 14, 13-21Tamin'izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan'i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an'efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin'ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.
Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.
Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.