Zoma 02 aogositra 2030

Zoma Fahafito ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 26, 1-9

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Nitangoronan'ny olona rehetra tao an-tranon'ny Tompo i Jeremia. »

Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Jôakima, zanak'i Jôsiasa, mpanjakan'i Jodà, no nahatongavan'izao teny izao, avy amin'ny Tompo, ho amin'i Jeremia: “Izao no lazain'ny Tompo: Mitsangàna ianao eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo, ka lazao amin'izay avy amin'ny tanànan'i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon'ny Tompo, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy: aza misy amelana na dia teny iray aza. Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin'ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian'ny ataony. Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo; tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin'ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo, dia hataoko tahaka an'i Silao itý trano itý, ary ataoko fanozonana amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, itý tanàna itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 68, 5. 8-10. 14
Fiv.: Valio araka ny fahamarinan'ny vonjinao aho, ry Tompo!

Ry Andriamanitra ô, maro noho ny volon-dohako ny mpankahala tsy amin'antony; mahery noho izaho ireo mandrafy noho ny endrikendrika. Dia hataoko ahoana anefa ny famerina izay tsy nalaiko?
Noho Ianao no ilonjoako latsa, no mahasafo-kenatra ny tavako: ka vahiny amin'ireo rahalahiko aho, sy olon-kafa amin'ny zanak'i neny? Eny, ny fahasaro-piaroko ny tranonao no maharìtra ny aiko.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra, valio noho ny haben'ny hatsaram-ponao, sy araka ny fahamarinan'ny Vonjinao!

Aleloia. Aleloia.
Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 54-58
« Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va itý? Taiza no nahazoany izany rehetra izany? »

Tamin'izany andro izany nankany amin'ny tany nahabe azy i Jesoa, ary nampianatra tao amin'ny sinagôgany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: “Avy taiza àry no nahazoan'izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?” Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: “Eo amin'ny tany onenany sy eo amin'ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany.” Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan'ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.

Kômonio Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.