Alarobia 24 jolay 2030

Alarobia Fahaenina ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.

Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 1, 1. 4-10

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Indro Aho manendry anao ho eo amin'ny firenena amam-panjakana. »

Tenin'i Jeremia, zanak'i Helkiasy, iray amin'ireo mpisorona any Anatôta, amin'ny tanin'i Benjamina. Tonga tamiko ny Tenin'ny Tompo, nanao hoe: “Efa fantatro talohan'ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.” Dia hoy aho: “Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô, tsy mahay miteny aho fa zaza.” Fa hoy ny Tompo tamiko: “Aza manao hoe: zaza aho, fa handeha ho any amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao. Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan'izy ireo, fa momba anao hamonjy anao Aho, — Teny marin'ny Tompo!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17
FiV.: Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy ny vonjinao.

Ianao no ifefeko, ry Tompo! Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay Mandrakizay! Afaho noho ny Fahamarinanao; itongilano sofina ka vonjeo!
Aoka Ianao ho vatolampy fialofako, ho trano mafy mahavonjy! Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy ry Andriamanitra ô!
Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra, fanantenako hatra ny fahakeliko! Hatrany am-bohoka; Ianao no heriko; hatrany an-kibon'i neny, Ianao no mpiaro ahy.
Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao. Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 1-9
« Ao ny mamoa avo zato heny. »

Tamin'izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin'ireo tamin'ny fanoharana Izy nanao hoe: “Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy; ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Kômonio Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.