Zoma 19 jolay 2030

Zoma Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Iz. 38, 1-6. 22-22. 7-8

Bokin'i Izaia Mpaminany

« Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao. »

Tamin'izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak'i Amôsa, nanao taminy hoe: “Izao no lazain'ny Tompo: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.” Dia nitodika nankany amin'ny rindrina i Ezekiasa, ka nivavaka tamin'ny Tompo; hoy izy: “Tompo ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.” Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa. Dia tonga tamin'i Izaia ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: “Mandehana lazao amin'i Ezekiasa hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'i Davida rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao. Hamonjy anao sy itý tanàna itý amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria Aho; ary hiaro itý tanàna itý.” Hoy i Izaia: “Mitondrà ampempan'aviavy iray, dia apetaho amin'ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.” Ary hoy i Ezekiasa: “Inona no famantarana hahalalako fa hiakatra any amin'ny tranon'ny Tompo aho?” Ary izao no famantarana omen'ny Tompo anao, hahafantaranao fa hotanterahin'ny Tompo izany teny nolazainy izany: “Indro Aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan'ny masoandro azy; eo amin'ny ambaratongan'i Akaza, dia ambaratonga folo.” Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin'ny ambaratonga efa nidinany teo ny masoandro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Iz. 38, 10. 11. 12abde. 16.
Fiv.: Arovanao amin'ny lavaka fahaverezana ny fanahiko, ry Tompo.

Vao misasaka ve ny fiainako, dia ho faty sahady, hoy aho. Ka ny androko sisa rehetra, dia ho very sy hafoiko avokoa.
Tsy hahita ny Tompo intsony, raha atý amin'ny tanin'ny velona. Tsy hahita na iza na iza amin'ny mponina ambonin'ny tany.
Ny fonenako no indro hiongotra toy ny lain'ireo mpiandry ondry. Fa ny fiainana mba notenomiko, hotapahina ho afaka ny haraka.
Fa ny foko mitoky aminao, ka sitrano aho, Tompo, velomy, dia hiova ho soa ny anjarako na mangidy aza izay efa nentiko.

Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 12, 1-8
« Tompon'ny sabata aza ny Zanak'Olona. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa namaky ny tanimbary tamin'ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana; fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe: “Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin'ny andro sabata.” Ary hoy Izy taminy: “Moa tsy novakînareo va izay nataon'i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Sa tsy novakînareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo; satria tompon'ny sabata aza ny Zanak'Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mandrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.