Alarobia 10 jolay 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Osea Mpaminany
Voaloboka mirobona erý i Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan'ny voany no ampitomboany ny ôteliny; araka ny hatsaran'ny taniny, no hatsaran'ny tsangam-bato nataony. Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin'izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony. Tsy ho ela no hilazany hoe: “Tsy mana-mpanjaka isika noho isika tsy natahotra ny Tompo”; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka? Levona i Samaria; ny mpanjakany dia toy ny tapak'ahitra eo ambonin'ny rano. Ho rava ny fitoerana avon'i Avena, izay fahotan'i Israely; handadian'ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: “Saròny izahay!” ary ny havoana hataony hoe: “Mianjerà aminay!” Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo; ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo; miasà tany vao ho anareo; fa efa fotoana hitadiavana ny Tompo izao, mandra-piaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.
Hirao Izy, antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany masina! Miravoa ny fon'ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny tavany! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran'ny vavany.
Ry taranak'i Abrahama mpanompony, ry zanak'i jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra, manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 1-7Tamin'izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran'ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak'i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay nirahin'i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: “Aza manaraka ny lalana mankany amin'ny Jentily, ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina, fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.