Zoma 05 jolay 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Amôsy Mpaminany
Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin'ny tany, izay manao hoe: “Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna hatao mandainga, hamitahana. Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin'ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary lohakororoka?” Amin'izany andro izany, izao no hitranga, — teny marin'ny Tompo Andriamanitra —: Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin'ny andro tony tsara. Ny fetinareo hampodîko ho fisaonana; ny hira fifalianareo ho fitomaniana; ny andilanareo rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy. Indro tamy ny andro, — teny marin'ny Tompo Andriamanitra, — hanirahako hanoanana amin'ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny Tenin'ny Tompo. Dia hirenireny hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina izy ireo, hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana; hivezivezy atsý sy arý, hitady ny tenin'ny Tompo, nefa tsy hahita izany izy ireo.
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny, sy mitady Azy amin'ny fony tontolo. Mitady Anao amin'ny foko tontolo aho, koa aza avela handao ny baikonao.
Ny fanahiko torotoro maniry ny Satanao lalandava. Ny lalan'ny fahamarinana no nofidìko. Ny Satanao tsy hadinoiko.
Indro manina ny lahatrao aho: koa velomy amin'ny fahamarinanao. Misokatra ny vavako; miemponempona aho: ny baikonao no mahaliana ahy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 9, 9-13Tamin'izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin'ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: “Andeha hanaraka Ahy ianao.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikanina sy ny mpanota?” Fa hoy i Jesoa nandre izany: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.