Alakamisy 27 jona 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'ny Mpanjaka
Valo ambin'ny folo taona i Jôasîna fony nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nohestà zanak'i Enatàna avy ao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy.
Andriamanitra ô! tongan'ireo firenena ny lovanao! Nolotoiny ny Tempolinao Masina! Ary i Jerosalema nataony korotam-bato! Ny fatin'ny mpanomponao nomeny ho sakafon'ny voromanidina; ny nofon'ny mpivavaka aminao natsipiny ho an'ny bibidia!
Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an'i Jerosalema! Ary tsy misy mandevina! Zary faneson'ny mpifanila aminay izahay, sy fanakora sy fandatsan'ireo manodidina! Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao, sy hiredaredan'ny hasaro-piaronao?
Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny; ny indrafonao atsena anay faingana: fa reraka loatra izahay. Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy: noho ny voninahitrao! Afaho izahay, avelao ny otanay; noho ny Anaranao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 7, 21-29Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Amin'izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin'ny Anaranao va izahay? ary moa tsy nandroaka demony tamin'ny Anaranao va izahay? moa tsy efa nanao fahagagana tamin'ny Anaranao va izahay? Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.