Zoma 21 jona 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'ny Mpanjaka
Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Atalia renin'i Okôziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra. Fa i Jôsabà zanakavavin'i Jôrama mpanjaka, sy anabavin'i Okôziasa, naka an'i Jôasa zanak'i Okôziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin'ny zanak'andriana, izay novonoin'ny olona, ary nametraka azy mbamin'ny mpitaiza azy, tao an'efitra fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan'ny mason'i Atalia, ka tsy novonoina izy. Enin-taona no nieren'izy sy i Jôsabà tao an-tranon'ny Tompo. Ary i Atalia no nanjaka tamin'izany. Tamin'ny taona fahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton'ny Kariana sy ny mpihazakazaka ary nasainy hanatona azy ao an-tranon'ny Tompo. Nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon'ny Tompo izy, dia nasehony azy itý zanaky ny mpanjaka.
Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason'i Davida: Ho an'izay haterakao ny seza fiandriananao. Ny taranany aoriana koa handimby azy eo, raha mitandrina ny didy sy manaja ny fanekena.
Fa ny Tompo dia nifidy an'i Siôna mba ho Azy; ka ataony Fitsaharany honenany hatrany. Fitsaharana maharitra ka tiako lalandava.
Ka hataoko masin-teny sy malaza i Davida. Hanomanako fanilo ilay Voahosotro hanjaka. Ary hataoko safo-kenatra izay mety ho fahavalony, ka hamiratra eo an-kandriny ny satro-boninahiny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 6, 19-23Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa. Ny maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin'ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.