Alarobia 12 jona 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'ny Mpanjaka
Tamin'izany andro izany, dia naniraka nankany amin'i Israely rehetra i Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. Ary i Elia tamin'izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: “Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.” Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka. Dia hoy i Elia tamin'ny vahoaka: “Izaho irery no sisa amin'ny mpaminanin'ny Tompo, fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin'i Baala.
Andriamanitra Tompo ô, ambeno. F'Ianao re no hany ifefeko. Hasambarako tokana an-tany. Ka ireny sampy hamaroina, tsy hanaovako sorona intsony; tsy ho tononiko anarana akory.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala eo ankavanako Izy.
E ny lalan'ny fiainana izao, dia hatoronao ahy hatrany, ka mameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay, 'zay mitoetra eo ankavananao hasambarana tsy mety ritra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 17-19Tamin'izany andro izany, hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. Koa amin'izany izay handika ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.
Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.
Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.