Alahady 09 jona 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
ALAHADY PANTEKÔTY — Taona B
MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA
Manerana an'izao tontolo izao ny Fanahin'ny Tompo; ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ary hainy daholo ny karazam-pitenenana. Aleloia!
Andriamanitra ô, ny fankalazana an'izao andro izao no anamasinanao ny Eglizinao manontolo manerana ny foko sy ny firenena rehetra; koa mihanta aminao izahay: mba rotsahy ny fanomezan'ny Fanahy Masina ny lafivalon'ny tany; ary efa niharihary ny hatsaram-ponao tamin'ny nanombohana nitory ny Evanjely, ka mba tohizo ankehitriny hanenika ny fonay mpino.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly
Nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin'ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra, ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany: sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teo amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra sy niteny tamin'ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy avy.
Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra, nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra. Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe: “Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo? Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy; dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin'ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma, na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin'ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon'Andriamanitra isika rehetra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro; fiandrianana sy voninahitra no itafianao. Maro tokoa ny asanao, ry Tompo sady vita amim-pahakingana. Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon'ainy alanao: mody mandry izy; ny fofon'ainao alefanao: àry izy, ka indro mihavao ny endriky ny tany. Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo. Hifaly amin'ny asany anie ny Tompo! Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko: ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia
Ry kristianina havana, izao no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn'ny nofo ianareo. Fa ny nofo manam-pilàna mifanohitra amin'ny an'ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin'ny an'ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo. Raha tarihin'ny fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony. Ary miharihary ny asan'ny nofo: dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa nolazaiko fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onony; tsy misy izay lalàna mikasika an'ireo. Izay an'i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin'ny faniriana amam-pilàndratsiny tamin'ny Hazofijaliana. Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy; fa aza te hoderaina foana amin'izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana.
Evanjely masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 15, 26-27; 16, 12-15Tamin'izany andro izany i Jesoa nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo, Izay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin'ny voalohany ianareo... Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin'ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko, ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan'ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo. Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin'ny Ray Aho.
Ry kristianina havana, mila Pantekôty vaovao lalandava izao tontolo izao, hanavaozan'ny Fanahin'Andriamanitra azy; koa mivavaha isika hangataka izay rehetra ilain'ny Eglizy, ary hiangavy an'Andriamanitra mba hamory ny zanany rehetra ao aminy.
Andriamanitra ô, nomenao afo avy amin'ny Fanahy Masina ny Apôstôly ary nomenao hery hitory ny Evanjely eo amin'izao tontolo izao; koa mba andreheto fitiavana izahay rehetra zanakao amin'izao andro izao, hitarika ny olona hahalala Anao sy ho tia Anao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ny Fanahy Masina hampiharihary aminay, araka ny nampanantenain'ny Zanakao, ny harena masina miafina amin'izao Sorona izao ary hanoro anay ny fahamarinana rehetra.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa notanterahinao ny misterin'ny Paka nanangananao ny olombelona ho zanakao hiombona anjara amin'ny Zanakao Lahy tokana ary hanomezanao ny Fanahy Masina amin'izao andro izao. Satria Izy tany am-piandohan'ny Eglizy no nanambara Anao Andriamanitra tamin'ny firenena rehetra no sady hampiray ny fiteny samihafa hiara-mankatò ny finoana tokana.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin'ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo; ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Samy feno ny Fanahy Masina avokoa ny mpianatra rehetra ary dia nankalaza ny asa mahagaga vitan'Andriamanitra. Aleloia!
Andriamanitra ô, notoloranao ny fanomezanao avy any an-danitra ny Eglizinao, koa ampio izahay hahatahiry ny fahasoavana nomenao hahavelona mandrakariva ao aminay ny fanomezan'ny Fanahy Masina, ary ny Kômonio raisinay anie, hanampy anay hahazo ny famonjena mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.