Alahady 02 jona 2030

Alahady Fahafito amin'ny Paka
Loko: Fotsy Taona B

Fanombohana ny Sorona Masina

FITIAVANA SY FAHAMARINANA NO TENA ENDRIK'I KRISTY

Tononkira fidirana Sal. 26, 7-9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!

Fangatahana

Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak'olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr'izao tontolo izao.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Asa 1, 15-17

Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly

« Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany ho velona. »

Fankalazana ny tenin'Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY




Tamin'izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan'ireo havana iray finoana i Piera (tokony ho roapolo amby zato no isan'izay nivory teo) ka nanao hoe: “Ry kristianina havana, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an'i Jesoa; fa anisantsika koa izy, sady nanana anjara tamin'izao fandraharahantsika izao. Ary izany indrindra no voasoratra ao amin'ny bokin'ny Sala

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Sal. 102, 1-2. 11-12. 19-20
Fiv.: Naoriny any an-danitra ny fiketrahany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Tahaka ny lanitra mambomba ny tany ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy. Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Naoriny any an-danitra ny fiketrahany, mifehy ny tontolo ny Fanjakany. Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny izay feno hery hankatò ny didiny.

Vakinteny faharoa 1 Jo. 4, 11-16

Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly

« Izay mitoetra ao amin'ny fitiavana, dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. »

Ry hava-malala, efa notiavin'Andriamanitra fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa. Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy. Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Aleloia. Aleloia.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany

Jo. 17, 11b-19
« Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo. »

Tamin'izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe: “Ray masina ô, tahirizo amin'ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy. Raha mbola teo amin'izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin'ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko azy ny teninao, ka halan'izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao Ahy no tsy mahaolon'izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny Ratsy. Tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy ireo koa. Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin'izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin'ny fahamarinana koa izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Prefasy Prefasy: Ny Niakaran'ny Tompo
Kômonio Jo. 17, 22

Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin'ny Eglizy rantsam-batan'i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin'Izy Filohanay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.