Alahady 12 mey 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
I JESOA, MPIANDRY ONDRY TSARA
Ny hatsaram-pon'ny Tompo dia manerana ny tany; ny lanitra no vita, dia ny tenin'ny Tompo. Aleloia!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba tantano izahay hiombon-kafaliana amin'ny lanitra; ka enga anie izahay andian'ondrinao osa sy malemy, hiaraka handresy amin'Ilay Mpiandry anay.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly
Tamin'izany andro izany, dia feno ny Fanahy Masina i Piera ka nilaza hoe: “Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon'i Israely, raha ny amin'ny soa nataonay tamin'ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra, fa ny Anaran'i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin'ny Hazofijaliana, fa natsangan'Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; ary tsy misy anaran-kafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena”.
Derao ny Tompo fa tsara: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Aleo mialoka amin'ny Tompo toy izay amin'ny olombelona; aleo matoky ny Tompo toy izay matoky ny mpifehy.
Misaotra Anao namaly ahy: Tenanao no tonga namonjy! Ny vato narian'ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany: zava-mahagaga imasonay!
Izahay eto an-tranon'ny Tompo no mitso-drano anareo. Ianao no Andriamanitro ka isaorako, no Andriamanitro ka asandratro. Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny fitiavany!
Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly
Ry hava-malala, endrey ity haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika, amin'ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 10, 11-18Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Jody nanao hoe: “Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon'ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan'ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an'ny ondriko. Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin'ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan'ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. Izao no itiavan'ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin'ny Raiko”.
Ry kristianina havana, henontsika teo i Jesoa nilaza hoe: “Izaho no mpiandry ondry tsara”. Koa mivavaha ho an'ireo rehetra mpandimby asa Azy nanankinany ny vahoakany, mba ho sahala amin'i Kristy izy hahalala ny ondriny sy ho fantatry ny ondriny.
Ry Tompo Mpiandry ondry tsara ô, omeo fo sy fanahy mahafantatra izay hahasoa ny vahoakanao ireo mpitondra ao amin'ny Eglizy sy izao tontolo izao, ary miantsoa Pretra sy Relijiozy maro eto amin'ny Nosinay, ka hahafahan'ny andian'ondrinao mizotra amim-pitokiana sy fanantenana eo anoloanao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin'ny Paka izao, ka hitohy hatrany eo aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nitsangan-ko velona Ilay Mpiandry ondry tsara izay namoy ny ainy ho an'ny ondriny ary maty ho an'ny andian'ondriny. Aleloia.
Jereo amin'ny fo tony izahay andian'ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin'ny Ra masin'ny Zanakao, mba omeo toerana soa aman-tsara, any an-tanim-bilonao mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.