Fanasan-tongotra
Asiana toriteny ivoasana ny zava-dehibe tsarovana amin'ny Sorona anio: ny namoronana ny Eokaristia sy ny Ordre ary ny Didin'ny Tompo momba ny fifankatiavana. Vita ny toriteny dia atao ny fanasan-tongotra, raha hita fa mahasoa.
Ireo lehilahy voafidy dia tarihin'ny mpanotrona hankeo amin'ny toerana voaomana ho azy. Dia manatona an'ireo ny Pretra (alàna ny “chasuble” raha manembantsembana), mandraraka rano amin'ny tongony ary mamafa azy, ampian'ireo mpanotrona. Hiraina mandritra izany izay sasin-kira fidina amin'ireto, na hira hafa mifanaraka amin'ny fotoam-pivavahana.
Sasin-kira voalohany
1 Jo. 13, 4. 5. 15.
Nitsangana teo am-pihinanana ny Tompo, dia nampidina rano tao amin'ny tavy fisasana ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianany. Izany ao oha-pitondran-tena navelany ho azy ireo.
Sasin-kira faha-2
Jo. 13, 14
«Tompo ô, Ianao ve no hanasa ny tongotro?» Hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasàko ny tongotrao, dia tsy hanana anjara amiko ianao».
A. - Dia tonga teo amin'i Simôna Piera Izy, ka hoy i Piera hoe: «Tompo ô, Ianao ve no hanasa ny tongotro?»
A. - «Izay ataoko ankehitriny, dia tsy fantatrao izao, fa mbola ho fantatrao any aoriana. »
«Tompo ô, Ianao ve no hanasa ny tongotro?»
Sasin-kira faha-3
Jo. 13, 14
Raha Izaho Tompo sy Mpampianatra anareo aza manasa ny tongotrareo, mainka ianareo samy ianareo dia tokony hifanasa tongotra.
Sasin-kira faha-4
Jo. 13, 35
“Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo dia ianareo mifankatia”
A. – Hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: «Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia ianareo mifankatia» .
Sasin-kira faha-5
Jo. 13, 34
Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia ny mba hifankatiavanareo, toy ny nitiavako anareo.
Sasin-kira faha-6
1 Kôr. 13, 13
Enga anie honina ao aminareo ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ary amin'ireo telo ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.
A. - Fa ankehitriny dia samy misy ireto: ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ary amin'ireo telo ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.
- Enga anie honina ao aminareo ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ary amin'ireo telo ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.
Vao vita ny fanasan-tongotra (na aorian'ny toriteny raha tsy misy nosasan-tongotra) dia atao ny Ranombavaka. Fa tsy asiana Izaho mino.