Alahady 24 febroary 2030

Alahady Fahafito tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona B

Fanombohana ny Sorona Masina

TOKONY HATAO NY SITRAK'ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana Sal. 12, 6

Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.

Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny, ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Iz. 43, 18-19. 21-22. 24b-25

Bokin'i Izaia Mpaminany

« Tsy hotsarovako intsony ny fahotanao. »

Izao no nolazain'ny Tompo: Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro Aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an'efitra Aho sy ony eny an-tany karankaina. Ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, dia hitory ny fiderana Ahy. Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely. Fa ianao aza no namesatra Ahy tamin'ny fahotanao, nanasatra Ahy tamin'ny tsy fahamarinanao. Izaho dia Izaho ihany no mamono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Sal. 40, 2-3. 4-5. 13-14.
Fiv.: Mamindrà fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.

Sambatra ny mpiahy ny mahantra sy ny osa; ny Tompo manafaka azy amin'ny andro fahoriana; ny Tompo miambina sy mahavelon-tsambatra azy, sy tsy mahafoy azy ho rembin'ny fahavalo.
Ny Tompo mankahery azy amin'ny aretiny, mikolokolo azy eo am-pandriany. Tompo ô, hoy aho, iantrao aho; sitrano fa nanota taminao.
Madio aho, ka hotahirizinao, ho eo anoloanao mandrakizay. Isaorana ny Tompo Andriamanitr'i Israely amin'ny taona rehetra. Amen. Amen!

Vakinteny faharoa 2 Kôr. 1, 18-22

Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty

« Tsy nisy eny sy tsia tao amin'i Jesoa, fa eny ihany. »

Ry kristianina havana, araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo. Satria ny Zanak'Andriamanitra dia i Kristy Jesoa, izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo, tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy. Fa na firy na firy fampanantenana avy amin'Andriamanitra, dia tao amin'i Jesoa ihany ny “eny”, ka dia amin'ny alalany sy amin'ny asanay koa no anaovana “Amen”; mba ho voninahitr'Andriamanitra. Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin'i Kristy, fa Andriamanitra, izay naha-voahosotra antsika, sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy Fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 2, 1-12
« Manam-pahefana hanafaka ny fahotana ny Zanak'olona ety an-tany. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niditra tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan'ny varavarana aza; dia nitory teny taminy Izy. Tamin'izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain'olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan'ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian'ilay malemy. Ary i Jesoa, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay malemy hoe: “Anaka, voavela ny helokao.” Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nanao anakam-po hoe: “Ahoana no itenenan'ilay ity toy izany? Miteny ratsy an'Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?” Fantatr'i Jesoa tao amin'ny fanahiny niaraka tamin'izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy: “Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao amin'ity malemy ity hoe: Voavela ny helokao sa ny manao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'Olona manam-pahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao: (hoy Izy tamin'ilay malemy) Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason'ny olona rehetra, hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: “Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !
Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tamin'ny fanombohan'ny Sorona dia niaiky isika fa mpanota; koa izao: mitalahoa amin'i Kristy mpamela heloka sy mpanasitrana ny halementsika, mba hamindra fo amin'izao tontolo izao sy hanadio ny fon'ny olombelona rehetra.

Fiv.: Tsarovy izahay, fa be indrafo Ianao.
• Nomen'i Kristy fahefana hamela heloka ny Eglizy; koa mivavaha ho an'ny Pretra, mba hazoto sy ho faly mampihavana ny olona amin'Andriamanitra izy, ary ny kristianina mba hazoto hikônfesy tsara.
• Mivavaha ho an'ny mpitsara eran-tany, mba hampian'Andriamanitra izy ho sambatra afaka mamela heloka, fa tsy dia ho mpampihatra lalàna tsy azo ivalozana fotsiny hatrany.
• Mivavaha ho an'ireo malemy eo am-pandriana, tsy afa-manao na inona na inona; mba hampian'Andriamanitra amin'ny manjo azy izy ary hahatakatra fa afaka manampy an'i Kristy mamonjy an'izao tontolo izao.
• Mampisara-bazana ny fianakaviana ny hevitra tsy mitovy, ary mampifankahala olona ny pôlitika samy hafa; koa mivavaha mba hampian'Andriamanitra ny olombelona rehetra eto an-tany: hahay hihavana sy hifamela heloka, hahafahana miara-miasa hanorina “tontolo vaovao” araka ny irîn'Andriamanitra.
• Mivavaha ho an'ny Fiangonantsika ary mangataha mba hampian'Andriamanitra isika hiaiky heloka sy hahay mifamela, ary hahita Pretra mandrakariva hamela ny fahotantsika amin'ny Anaran'Andriamanitra.

Tompo ô, sady nanasitrana ny vatana Ianao no nanasitrana ny fanahy; koa enga anie izahay eto amin'izao fiainana toa lasa ara-nofo loatra ankehitriny izao, hahay miahy ny ara-panahy koa; ary mba mamelà ny hadisoanay.

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Prefasy Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.
Kômonio Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao; ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.