Alahady 17 febroary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
SITRANA NY BOKA
Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.
Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Levitika
Tamin'izany andro izany, ny Tompo niteny tamin'i Môizy nanao hoe: “Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin'ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin'i Aarôna mpisorona izy, na eo amin'ny iray amin'ireo zanany mpisorona. Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: “Maloto e! maloto e!” Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan'ny feriny. Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan'ny toby”.
Sambatra izay voavela heloka; eny, sambatra ny olona afaka ota, tsy itanan'ny Tompo hadisoana, fa nitsotra tamin'ny fo manontolo.
Koa nitsotra taminao aho, tsy nanafina hadisoana: «Miaiky heloka aho, ry Tompo!» ka noesorinao ny otako.
Mifalia ao amin'ny Tompo, ry olo-marina; miravoa, mihobia, ry fo mahitsy!
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, na mihinana ianareo na misotro, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin'Andriamanitra, fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an'ny tenako, fa ny ho an'ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra. Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an'i Kristy.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Hisaorana anie Adriamanitra!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 1, 40-45Tamin'izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an'i Jesoa, nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”. Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: “Mety Aho, madiova ianao”. Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin'izay i Jesoa, sady namepetra azy mafy nanao hoe: “Tandremo, aza milaza izany na amin'iza na amin'iza ianao, fa mandehana misehoa amin'ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian'i Môizy, mba ho vavolombelona amin'ny vahoaka”. Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin'ny tany mangingina Izy, ary nohatonin'ny olona avy eny tontolo eny.
Ry kristianina havana, ankehitriny efa hitan'ny manam-pahaizana ny fanafody anasitranana ny habokana, saingy ny habokam-panahy vokatry ny fahotana kosa dia toa mbola manenika an'izao tontolo izao. Koa mivavaha mba ho takatry ny olona ny haratsian'ny fahotana ary mba ho hainy mitsara araka ny fahazavan'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Tompo ô, nanasitrana ny boka Ianao tety an-tany, na dia tsy araka ny lalàna tamin'izany aza; koa mihanta aminao izahay, mba ampio hahay hitana ny tena votoatin'ny Evanjely, fa tsy hanaraka ambokony fotsiny ny fomba amam-panao mahazatra.
Fankalazana ny Eokaristia
Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka hanatanteraka ny sitraponao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo izay niriny, ka afa-diana izy.
Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.