Alahady 10 febroary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
MISY ANTONY AMBONY NY FIJALIANA
Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra: mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Tamin'izany andro izany, niteny i Jôba nanao hoe: “Andro fanompoana, ny fiainan'ny olona eto an-tany, ary toy ny an'ny mpikarama ny androny. Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany, mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory, sy nanana izay anjara volana mampijaly. Fa nony handry aho manao hoe: “Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra?” Dia mandry an-driran'antsy foana eo aho, mandra-pahazavan'ny andro. Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany: tsy misy fanantenana intsony! Andriamanitra ô! tsarovy fa fofona kely foana ny aiko! ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko”.
Derao ny Tompo fa tsara, antsao ny Andriamanitsika fa mamy: ary fiderana voakaly no tena mendrika Azy: Izy ilay manorina an'i Jerosalema, manangona ny tafaely amin'i Israely.
Mitsabo ny fanahy torotoro, manasitrana ny fo maratra, Ilay manisa tsirairay ny kintana sy miantso azy amin'ny anarany avy.
Tompontsika lehibe sy mahery, Ilay tsy misy fetra ny fahalalany, Izy Tompo manandratra ny ory, fa ny olon-dratsy adabony aman-tany.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely. Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. Inona àry ny valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin'ny Evanjely. Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon'iza na iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon'ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa. Tamin'ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin'ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra. Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 1, 29-39Tamin'izany andro izany, raha nivoaka avy tao amin'ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany, dia nankany an-tranon'i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozambavin'i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin'izy ireo taminy niaraka tamin'izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon'ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin'ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin'ny tany mangingina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany, ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: “Tadiavin'ny olona rehetra Ianao”. Fa izao no navaliny: “Andeha isika hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako”. Dia lasa Izy nitory tamin'ny sinagôgan'ny olona sy eran'i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.
Ry kristianina havana, manempotra an'izao tontolo izao ny tabataba tsy ifandrenesana sy ny lahasa tsy misy iainana, ka mila tsy ho afa-mandre an'Andriamanitra na manatona Azy intsony ny olombelona; koa mangataha amin'ny Tompo mba hohain'ny olona ny manokam-potoana hitadiavam-pahanginana sy hivavahana, toy ny nataon'i Kristy.
Tompo ô, tsy nanampi-maso tamin'ny fahorian'ny olombelona Ianao, ka nirohotra nanatona Anao ireo mijaly, mba hovonjenao sy hositraninao; koa mba topazo maso miantra ny marary sy ny mijaly rehetra, ary enga anie izahay hahery fo sy ho be fitiavana amin'ny fanampiana ny namana zoim-pahoriana hanohizanay ny fitiavanao.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ireo ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.
Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.