Alakamisy 07 febroary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!
Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'ny Mpanjaka
Nony efa akaiky ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Salômôna zanany izy, nanao hoe: “Handeha amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho itý, ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy. Tandremo ny fanompoana ny Tompo Andriamanitrao, fa araho ny lalàny, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Môizy, mba hahomby ianao amin'izay ataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao, ka dia hotanterahin'ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe: “Raha mitandrina ny diany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin'ny fony rehetra dia tsy ho lany taranaka ho eo amin'ny seza fiandrianan'i Israely ianao.”
Dia nandry any amin'ny razany i Davida, ka nalevina tao an-tanànan'i Davida. Efapolo taona no andro nanjakan'i Davida tamin'i Israely, ny fito taona nanjakany tany Hebrôna, ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema. Ary i Salômôna nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy, ary niorina tsara ny fanjakany.
Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr'i Israely Razanay:
hatramin'ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibeazana sy hery,
ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra: na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny Fanjakana, sy ny fisandratana ho Lohan'ny zava-drehetra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 6-13Tamin'izany andro izany, niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy: “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin'izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.
Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.