Talata 22 janoary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Samoela
Tamin'izany andro izany, nilaza tamin'i Samoela ny Tompo nanao hoe: “Mandra-pahoviana no itomanianao an'i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjakan'i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho any amin'i Jese any Betlehema ianao, satria amin'ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako.” Dia hoy i Samoela: “Hataoko ahoana no fankany? Ho ren'i Saola izany dia hataony maty aho?” Ary hoy ny Tompo: “Mitondrà vantotr'ombivavy, ka ataovy hoe: Hanatitra sorona ho an'ny Tompo no nankanesako taty. Ary asao i Jese
Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao, nanao tamin'ny voafidinao hoe: Nanandratra olo-mahery iray Aho; nanambony olom-boafidy tamin'ny vahoaka.
I Davida mpanompoko no sitrako: ka nohosorako ilo masina. Ny tanako homba azy; ny sandriko hankahery.
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao, Andriamanitro sy vatolampy famonjena ahy. Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako, sy ho avo indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 2, 23-28Indray sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany, ka hoy ny Farisianina taminy: “Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin'ny sabata?” Fa hoy Izy taminy: “Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha terin'ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? Fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Abiatara lehiben'ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin'ny mpanaraka azy koa.” Dia hoy koa Izy taminy: “Ny sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona no ho an'ny sabata. Koa ny Zanak'Olona dia tompon'ny sabata aza.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.