Alahady 13 janoary 2030

Fankalazana ny Batemin'ny Tompo
Loko: Fotsy

Fanombohana ny Sorona Masina

I JESOA NATAO BATEMY: TANDINDON'NY BATEMINTSIKA

Tononkira fidirana Mt. 3, 1 6-17

Nony vita batemy ny Tompo, dia nisokatra ny lanitra, ary ny Fanahin'Andriamanitra nidina teo amboniny tahaka ny voromailala. Dia injao ny feon'ny Ray nilaza hoe «Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa».

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tamin'i Jesoa Kristy natao batemy teo amin'ny ranon'i Jordany ka nidinan'ny Fanahy Masina, dia nambaranao tamin'ny fomba manetriketrika fa Zanakao malalanao Izy; koa enga anie izahay zanaka natsanganao, nateraka tamin'ny rano sy ny Fanahy Masina, mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly Anao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Andriamanitra ô, nitafy nofo tahaka anay ny Zanakao Lahy tokana; mitovy aminay Izy eto ivelany, ka enga anie hitovy aminy izahay ao anaty.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Iz 55, 1-11

Bokin'i Izaia Mpaminany

« Mankanesa aty amin'ny rano, na ianareo tsy manam-bola aza. »

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin'ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono. Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin'izay hanina fy. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an'i Davida. Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin'ny firenena; ho mpifehy sy mpandidy ny firenena. Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao, noho ny amin'ny Tompo Andriamanitrao, sy ilay Masin'i Israely, satria nomeny voninahitra ianao. Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin'ny lalany, ary ny meloka hiala amin'ny heviny; ka hiverina amin'ny Tompo izy, dia hamindràny fo, hiverina amin'Andriamanitra fa hamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo tsy mba lalako, — teny marin'ny Tompo, — Tahaka ny haavon'ny lanitra noho ny tany no haavon'ny lalako noho ny lalanareo, sy haavon'ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Tahaka ny ranon'orana aman'oram-panala, milatsaka avy any an-danitra, ka tsy miverina any raha tsy efa maninteraka sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an'ny mpihinana; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Iz. 40, 1-5. 9-11
Fiv.: Indro fa tonga amin'ny heriny ny Tompo Andriamanitra.

Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy ny Andriamanitrareo.
Mitenena amin'ny fon'i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin'ny tanan'ny Tompo ny indroa heny valin'ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
Misavà lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an'ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra, ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry, ny avo hanjary tany lemaka, ary ny vato mideza ho lembalemba.
Miakara any an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an'i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an'i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin'ny tanàn'i Jodà hoe: Indro ny Andriamanitrareo. Indro fa tonga amin'ny heriny ny Tompo, ny sandriny mampiasa ny fahefany. Indro miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany. Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian'ondriny: handray ny zanakondry amin'ny sandriny, hitondra an'ireny eo an-trotroany ary handroaka moramora ny mampinono.

Vakinteny faharoa 1 Jo. 5, 1-9

Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly

« I Jesoa no ilay avy tamin'ny rano sy ny ra. »

Ry hava-malala, izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy dia nateraka avy amin'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarana fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny, satria izay nateraka avy amin'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao; ary ny fandresena izay naharesy an'izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an'izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak'Andriamanitra?
Dia Izy no Ilay avy tamin'ny rano sy ny ra; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo no manambara any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina; ary Izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. Raha ny fanambaràn'ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaràn'Andriamanitra izay ehibe lavitra; ary ny fanambaràn'Andriamanitra dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Aleloia, aleloia.
Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy."
Aleloia, aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 1, 6b-11
« Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko. »

Tamin'izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe: “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina”. Ary tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan'i Galilea i Jesoa, ka nataon'i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !
Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin'izao andro ankalazana ny nanaovana batemy an'i Jesoa izao, dia mivavaha ho an'ireo rehetra nandray ny fanosorana ho zanak'Andriamanitra sy ho mpitory ny teniny, ary ho an'ireo rehetra mbola miandry ny Batemy Sakramenta haha-zanak'Andriamanitra azy, mba samy haharitra hatramin'ny farany hijoro ho vavolombelon'i Kristy sy ny finoana isika rehetra.

Fiv.: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.
• Mivavaha mba hijoro ho mpitondra ny tenin'Andriamanitra eo amin'ny olombelona isika rehetra tonga zanak'Andriamanitra tamin'ny Batemy.
• Mivavaha ho an'ireo mpitondra fanjakana rehetra mba hitondrany ny vahoaka araka ny teny sy ny fahamarinana nentin'i Kristy Zanak'Andriamanitra.
• Mivavaha ho an'ireo miomana amin'ny Batemy sy ireo rehetra mangetaheta ny Batemy, mba hampanatona azy an'Andriamanitra ny fivavahana kristianina.
• Mivavaha ho an'ny mpanota mba hibebahany; ho an'ireo lavitra an'Andriamanitra mba hanatonany Azy, fa efa manatona azy Andriamanitra.
• Mivavaha ho antsika rehetra miangona eto izao, mba ho taratra amin'ny toetrantsika sy ny asantsika ny fiainam-baovao iraisantsika amin'i Kristy Jesoa.

Ry Jesoa, mpanala ny fahotan'izao tontolo izao, nietry Tena hilahatra tamin'ny mpanota Ianao, koa mihanta aminao izahay, ampio hihaino ny teninao, mba ho zanaky ny Ray marina tokoa.

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, raiso ireto fanatitra ankalazana ny nanambarànao an-karihary ny Zanakao malalanao; ka ny sorona atolotray mpino anie hiray amin'ny sorona nataon'i Kristy be indrafo, Ilay nanala ny fahotan'izao tontolo izao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

Prefasy

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa teo Jordany no nanambarànao ny Batemy tamin'ny fomba mahagaga mba hinoanay noho ny feo avy any an-danitra, fa ny Teninao dia monina ety aminay olombelona, ary mba hahafantaranay fa Izy Kristy, nidinan'ny Fanahy Masina, naka endri-boromailala sy nohosorany diloilo firavoana, dia nirahina hitory ny Evanjely amin'ny mahantra.
Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany, miaraka amin'ny Herin'ny lanitra, mihoby Anao avo indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...

Kômonio Jo. 1, 32. 34

Indro ilay notorîn'i Joany Batista hoe: «Eny, nahita aho ary nanambara fa Izy no ilay Zanak'Andriamanitra».

Vavaka aorian’ny Kômonio

Henika ny fanomezana masina izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao: enga anie izahay nihaino ny Zanakao Lahy tokana sy mino Azy mba hantsoinao hoe zanakao, ary ho tonga zanakao tokoa.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.