Asabotsy 05 janoary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Aorian'ny Nahaterahan'ny Tompo
Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo. Raha miafara, jereo Herinandro manaraka ny Epifania
Hatramin'ny voalohany sy talohan'ny taona rehetra, dia efa Andriamanitra ny Teny, ary nanaiky hateraka, ho Mpamonjy an'izao tontolo izao.
Andriamanitra ô, ny nahaterahan'ny Zanakao Lahitokana no nanombohanao ny fanavotana ny vahoakanao tamim-pomba mahagaga, ka mba omeo finoana tsy mety lefy izahay mpanomponao hotarihin'ny Mpamonjy, ka ho tody soa aman-tsara any amin'ilay valisoa nampanantenainao hanehoanao ny voninahitrao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly
Ry malala, araka ny teny azo sy renareo hatramin'ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika, fa tsy mba hanahaka an'i Kaina izay avy amin'ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny. Ary ahoana moa no namonoany azy? — Dia satria ratsy ny asany, fa ny an'ny rahalahiny kosa dia marina. Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo. Isika dia mahalala fa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana, satria tia rahalahy. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin'ny fahafatesana. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny, dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no nahafantarantsika ny Fitiavana: nahafoy ny Ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an'ny rahalahy koa isika. Raha misy manankarena amin'izao fiainana izao, ka mahita ny rahalahiny mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aza tia am-bava sy amin'ny teny fotsiny, fa amin'ny asa sy amin'ny fo tokoa. Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra. Fa raha ny fontsika aza manameloka antsika, mainka fa Andriamanitra, izay lehibe noho ny fontsika, sady mahalala ny zavatra rehetra. Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an'Andriamanitra amin-toky isika.
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo, ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy, mihira miravo!
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra, fa Azy isika satria nohariany. Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera. Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany antsika, amin'ny taona rehetra ny fahamarinany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 1, 43-51Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia niroso nankany Galilea, ary nifanena tamin'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: “Manaraha Ahy.” Avy ao Betsaïda, tanàna niavian'i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo. I Filipo kosa nifanena tamin'i Natanaely ka nanao taminy hoe: “Efa hitanay ilay voalazan'i Môizy tao amin'ny Lalàna sy nambaran'ny mpaminany, dia i Jesoa zanak'i Jôsefa avy any Nazareta.” Ka hoy i Natanaely taminy: “Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?” Dia hoy i Filipo taminy: “Avia, ary zahao.” Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe: “Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.” Ka hoy i Natanaely taminy: “Ahoana no nahalalanao ahy?” Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: “Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy ianao.” Dia namaly Azy i Natanaely ka nanao hoe: “Raby ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely.” Ary hoy i Jesoa taminy. “Mino ianao satria nilazako fa hitako tao amin'ny ambanin'ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.” Dia hoy koa Izy: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'Olona ianareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ireto fanatitra ifandraisanay aminao be voninahitra; koa enga anie ny fanomezanao atolotray Anao hahamendrika anay handray ny Tenanao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Toy izao tokoa no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny hasin'izao Kômonio izao hankahery ny fiainanay mandrakariva.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.