Alatsinainy 24 desambra 2029

Fiaviana: Herinandro mialoha ny Noely (24 desambra)
Loko: Volomparasy

Fanombohana ny Sorona Masina

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

Tononkira fidirana Gal. 4, 4

Indro fa tonga ny fetr'andro, ka naniraka ny Zanany ho etý an-tany Andriamanitra.

Fangatahana

Hafaingano ny dianao, ka aza ela, ry Jesoa Tompo, ary mihanta aminao izahay: enga anie hahita fanalana alahelo amin'ny fahatongavanao fa miantehitra amin'ny fitiavanao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Samoela 7, 1-5. 8b-11. 16

Boky faharoan'i Samoela

« Haharitra mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo ny fanjakan'i Davida. »

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka sady nomen'ny Tompo fandriampahalemana tamin'ny fahavalony rehetra nanodidina azy, dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natàna mpaminany : “Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny fiaran'Andriamanitra mitoetra ao afovoan'ny lay!” Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka: “Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao ny Tompo.” Ny alin'izay ihany, dia tonga tamin'i Natàna ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Mandehana, lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida hoe; izao no lazain'ny Tompo: Ianao ve no hanao trano hitoerako? Tany an-tanim-bilona tao aorian'ny ondry no nangalako anao ho andriana amin'ny vahoakako, amin'i Israely; ary izay nalehanao nombàko anao avokoa; ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao. Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran'ny olomalaza ambonin'ny tany. Hanokan-toerana ho an'ny vahoakako, ho an'i Israely Aho, dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy, ary handry tsy amin'ahiahy, fa tsy hampahorin'ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony, sy toy ny tamin'ny andro nananganako mpitsara hifehy an'i Israely vahoakako. Hanome anao fialan-janona amin'ny fahavalonao rehetra Aho; ary lazain'ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao. Ary ho azo antoka ny faharetan'ny tranonao sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29
Fiv.: Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon'ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon'ny Tompo! Hambarako amin'ny firenena rehetra ny fahamarinanao! Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko; voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!
Nanao fanekena tamin'ilay voafidiko Aho; nianiana tamin'i Davida mpanompoko; hajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao; haoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao. Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy. Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko, ho azony antoka ny fanekeko.

Vakinteny faharoa Tit. 2, 11-14

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Tito

« Efa niseho ho an'ny olona rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra. »

Efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra, sy ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr' olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, izay nanolo-Tena ho antsika, mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra sy hanadio ho an'ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Aleloia. Aleloia.
Ry ilay Mpanjakan'ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin'ny vovotany.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 1, 67-79
« Hamangy antsika ny Masoandro avy any ambony. »

Tamin'izany andro izany, feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain'i Joany, ka naminany hoe: “Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ny mpaminany masina hatramin'ny andro tany aloha, mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'izay rehetra mankahala antsika. He izany nanaovany famindram-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina, dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika fahafahana amin'ny tanan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra, amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe: mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany, mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony. Noho ny halehiben'ny famindram-pon'ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony, mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !
Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin'izao alina ahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ety amintsika olombelona izao, dia aoka ny fontsika hirehidrehitra ho feno fitiavana sy fankasitrahana, koa hiray fo sy finoana isika, hitodika any amin'ilay Mpamonjy fahazavan'izao tontolo izao, hangataka aminy mba hoentiny eo amin'ny olombelona rehetra ny fitiavana sy ny fiadanana mampangetaheta antsika.

Fiv.: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.
• Adidin'ny Eglizy mpitondra fahazavana eo amin'izao tontolo izao ny miantso lalandava hoe: «Fiadanana anie ho an'ny olona ety an-tany, fa nanehoan'Andriamanitra ny hatsaram-pony». Koa mangataha mba ho heno ny feony, ary hisy vokany ny ezaka ataony.
• Mivavaha mba handrava tanteraka ny rindrin'ny fitiavan-tena sy ny fifankahalana mampisaratsaraka ny olombelona ny fahazavana sy ny fitiavana ary ny fiadanana entin'i Kristy.
• Fahantrana no nahaterahan'ny Mpamonjy, ary ny mahantra no nantsoiny voalohany; koa mangataha mba hotiavintsika manokana ny mahantra sy ny madinika, ary mba ho haintsika ny mitondra ny Evanjely ho fahazavana hanilo azy ireo.
• Mitalahoa amin'ny Tompo ho an'ireo olombelona namantsika mitady Mpamonjy, ary ho an'ireo tsy mahalala ny haben'ny famonjena atolotr'Andriamanitra azy amin'izao Noely izao.
• Isika vory eto, isika iray finoana: miaraha mitalaho amin'Andriamanitra, mba haninteraka antsika bebe kokoa hatrany ny fahazavana sy ny fiadanana entin'ny Noely.

Ry Andriamanitra Tomponay ô, faly izahay mankalaza an'i Jesoa tonga ety aminay; koa mba hazavao koa ireo rehetra mankalaza ny Noely nefa tsy mahalala ny tena antony ary ireo tsy mahalala akory fa misy ny Noely, mba ho faly sy ho sambatra manana Anao.

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, mba raiso amin'ny fo feno fitiavana ireto fanatitra atolotray Anao: ka enga anie ho afaka amin'ny fahotana izahay mandray azy ary hadio ny fonay ho mendrika hahazo ny voninahitra amin'ny hahatongavan'ny Zanakao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

Prefasy Prefasy: Fahatongavan'ny Tompo II
Kômonio Lk. 1, 68

Isaorana ny Tompo Andriamanitr'i Israely noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nohavaozin'izao fanomezanao mahagaga izao izahay, ka enga anie ho tahaka ny iomananay hankalaza ny nahaterahan'ny Zanakao mendrika hotsaohina no hahafaly anay hahazo ny soa mandrakizay avy aminy.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.