Alakamisy 22 novambra 2029

Alakamisy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Makab. 2, 15-29

Boky voalohan'i Makabeo

« Hanaraka ny faneken'ny razanay izahay. »

Tamin'izany andro izany, dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika. Israelita maro be no nomba azy ireo; ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. Niteny tamin'i Matatiasa ireo irak'i Antiôkosa, ka hoy izy taminy: “Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. Koa ianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka toraky ny efa nataon'ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin'i Jodà, mbamin'ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan'ny sakaizan'ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro ianao mbamin'ireo zanakao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15
Fiv.: Izay mahitsy famindra hohetsahin'Andriamanitra amin'ny vonjiny.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan'ny andro ka hatrany amin'izay ilentehany. Indro Andriamanitra mamiratra ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona. Ny fahamarinany ambaran'ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.
Ny saotra atao fanatitra ho an'Andriamanitra; ny voadinao, tovina ho an'ny Avo indrindra. Dia antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, fa hanafaka sy hampipetraka amin'ny fanasana!

Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 19, 41-44
« Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao. »

Tamin'izany andro izany, nony mby akaiky an'i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: “Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin'itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan'ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.