Asabotsy 17 novambra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fahendrena
Tamin'izay, raha ilay saron'ny fahanginana lehibe ny tany tontolo, ka nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny, dia niezaka avy any an-tampon'ny lanitra ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin'ny seza fiandrianany, nankeo afovoan'ilay tany voatolotra ho amin'ny fandringanana; nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra; dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza, nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin'ny tany.
Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany masina! Miravoa ny fon'ny mpitady ny Tompo!
Dia nokapohiny ny lahimatoa, tamin'ny taniny: ny santatry ny herin-dahiny rehetra. Dia navoakany tamim-bolafotsy sy volamena ny vahoakany; tsy nisy tamin'ny fokony izay hoe narisarisa.
Eny, tsaroany ny teniny masina tamin'i Abrahama mpanompony: ka dia navoakany ny olony, ka niravo; sy ireo voafidiny, ka nihoby.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 18, 1-8Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin'ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: “Tany amin'ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an'Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin'izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: 'Omeo rariny aho amin'ilay miady amiko'; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin'ny farany dia hoy izy anakampo: 'Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.' Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain'ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak'Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin'ny tany Izy?”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.