Talata 06 novambra 2029

Talata Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 12, 5-16a

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Mifampirantsam-batana isika. »

Ry kristianina havana, tena iray ao amin'i Kristy isika, na dia maro aza; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy. Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin'ny fandraharahana; itý moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mitondra, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana. Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin'ny tsara. Mifankatiava toy ny ifankatiavan'ny mpirahalahy; mifaninàna hifanaja. Raha ny amin'ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin'ny fanantenana, mandefera amin'ny fahoriana, ary mahareta amin'ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin'ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 130, 1. 2 sy 3
Fiv.: Tahio am-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.

Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô, ka ny masoko mijery, tsy mianjona. Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko; ireo avo tsy sahaza halaviriko.
Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka, toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny. Matokia ny Tomponao, ô ry Jakôba ô, hatrizao sy amin'ny taona tsisy fetrany.

Aleloia. Aleloia.
Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin'i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin'ny alalan'i Kristy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 14, 15-24
« Mandehana mankany amin'ny kianja sy ny lalam-ben'ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. »

Tamin'izany andro izany, nony avy nandre ny tenin'i Jesoa ny anankiray tamin'izay niara-nihinana taminy, dia nanao tamin'i Jesoa hoe: “Sambatra lahy izay hanana anjara amin'ny fihinanam-be any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.” Fa hoy Izy taminy: “Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: 'Ndeha ianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra.' Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: 'Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.' Hoy kosa ny faharoa: 'Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.' Ary hoy koa ny anankiray: 'Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.'

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Kômonio Sal. 15, 11

Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.