Alahady 04 novambra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
TOETRA MAHITSY SY MANETRY TENA NO ILAINA HANOMPOANA NY FIANGONANA
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Malakia Mpaminany
Mpanjaka lehibe Aho, hoy ny Tompon'ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin'ny firenena. Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao: Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo ny hanome voninahitra ny Anarako, hoy ny Tompon'ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo Aho. Fa ianareo kosa nivily lalana, nanafintohina olona maro tamin'ny lalàna, ary namadika ny fanekena tamin'i Levi, hoy ny Tompon'ny tafika. Koa Izaho kosa, dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona eo imason'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, sady mizaha tavan'olona amin'ny fampiharana ny lalàna. Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana àry ity isika, no samy mivadika amin'ny iray ra amintsika avy, ka mandoto ny fanekena amin'ny razantsika?
Tompo ô, tsy mba miavona ny foko, tsy miandranàndrana ny masoko: izaho tsy manenjika zava-baventy na zavatra ambony tsy sahaza ahy.
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka, toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny; eny, toy ny zaza voky ny fanahiko ato amiko.
Aoka i Israely hatoky ny Tompo hatrizao ka ho mandrakizay!
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
Ry kristianina havana, naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany. Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin'Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra ianareo. He tsaroanareo, ry kristianina havana, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman'alina izahay no nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza. Noho izany, dia tsy tapaka misaotra an'Andriamanitra koa izahay, satria tamin'ny nandraisanareo ny tenin'Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 1-12Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe: “Efa mipetraka eo amin'ny toeran'i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin'izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo antsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin'ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fitoerana voalohany amin'ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Aza mety atao hoe Mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry ary izay hanetry tena dia hasandratra”.
Ry kristianina havana, ny olombelona rehetra, na ny mpivavaka na ny tsy mpivavaka, dia mety hifindran'ny toe-tsaina nahameloka an'ireo Farisianina voalazan'ny Evanjely, koa mangataha amin'Andriamanitra mba hanafaka antsika amin'izany toetra mampidi-doza izany.
Ry Jesoa Tomponay ô, esory ato aminay ny toetra mieboebo sy mihatsaravelatsihy, ka enga anie izahay halemy fanahy sy hanetry tena tahaka Anao, ary ho mpikatroka mafana fo amin'ny fanitarana ny Fanjakanao.
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.