Alarobia 31 oktobra 2029

Alarobia Fahatelopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 105, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 8, 26-30

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Fantatsika fa ny zava-drehetra dia entin'Andriamanitra hanasoa izay tia Azy. »

Ry kristianina havana, ny Fanahy no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan'izy Fanahy ihany no mangataka amin'ny fitarainana tsy azo lazaina; ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin'ny Fanahy, sy ny fifonany araka an'Andriamanitra ho an'ny olo-masina. Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin'ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 12, 4-5. 6
Fiv.: Matoky ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro! Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana; ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý! na hifalian-drafilahy fa mihontsina!
Matoky ny hatsaram-ponao aho; mifaly amin'ny famonjenao ny foko. Eny, mihira aho, ry Tompo, noho ny soa nataonao.

Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 13, 22-30
« Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: “Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?” Ka hoy Izy tamin'ny olona: “Mikeleza aina hiditra amin'ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: 'Tompoko, vohay izahay', dia hovaliany hoe: 'Tsy fantatro izay niavianareo.' Ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: 'Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin'ny kianjanay Ianao.' Fa hovaliany hoe: 'Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.' Ary amin'izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin'ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany. Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo, hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Kômonio Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.