Alakamisy 25 oktobra 2029

Alakamisy Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 6, 19-23

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Ankehitriny afaka tamin'ny fahotana ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon'ny olona aho, noho ny fahalemen'ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. Fa nony mpanompon'ny ota ianareo, dia olon-ko azy tamin'ny fahamarinana. Inona àry no vokatra azonareo tamin'izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany. Ary ankehitriny kosa, rahefa afaka tamin'ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo. Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Fiv.: Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran'ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin'ny lalan'ny mpanota na monina amin'ny fonenan'ny mpaneso fa ny Lalàn'ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman'alina.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony mahomby avokoa.
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan'ny olo-marina fantatry ny Tompo, ny lalan'ny mpanota kosa mamery.

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 12, 49-53
« Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tonga hanipy afo etý ambonin'ny tany Aho, ka akory itý faniriako mba hirehetan'izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak'izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin'izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin'ny roa, ary ny roa amin'ny telo; ny ray amin'ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin'ny rainy; ny reny amin'ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny; ny rafozam-bavy amin'ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.