Talata 23 oktobra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, tahaka ny nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao tamin'ny olona iray, no nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nahafatesan'ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan'ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan'ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana. Satria raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'io anankiray io, mainka fa ny nataon'ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan'izay mahazo ny haben'ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin'ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an'ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan'ny maro ho mpanota noho ny tsy nanekan'ny olona iray no nahatongavan'ny maro ho marina kosa noho ny naneken'ny olona iray. Nefa tao amin'izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran'ny fahasoavana ho ambony lavitra mba ho tahaka ny nanjakan'ny fahotana hahafaty no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao mantsy ny sofiko. Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana: ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko! Eny, ato anatin'ny foko ny lalànao!
Torìko ao am-Piangonam-be ny fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa izay rehetra mitady Anao; ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe: Lehibe ny Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 12, 35-38Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan'ny tompony avy any amin'ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin'izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin'ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin'ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Vavaka Fanolorana
Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.