Asabotsy 20 oktobra 2029

Asabotsy Fahavalo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 129, 3-4

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 4, 13. 16-18

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Nanantena izy na dia tsy nisy tokony hanantenany aza. »

Ry kristianina havana, tsy ny Lalàna no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin'ny finoana. Koa ny finoana no handovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an'ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an'izay amin'ny Lalàna, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy (araka ny voasoratra hoe: “Natsangako ho rain'ny firenena maro ianao”) eo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy. Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 104, 6-7. 8-9. 42-43
Fiv.: Tsaroan'ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Ry taranak'i Abrahama mpanompony, ry zanak'i Jakôba ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an'ny taranaka arivo: ilay niantohany tamin'i Abrahama, sy nianianany tamin'i Isaaka.
Eny, tsaroany ny teniny masina tamin'i Abrahama mpanompony; ka dia navoakany ny olony ka niravo; sy ireo voafidiny, ka nihoby.

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 12, 8-12
« Ny Fanahy Masina no hanoro anareo eo no ho eo izay tsy maintsy holazainareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona dia hoeken'ny Zanak'Olona koa izy eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan'ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'Olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin'ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo fa hatoron'ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.

Kômonio Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.