Alatsinainy 15 oktobra 2029

Alatsinainy Fahavalo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 129, 3-4

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 1, 1-7

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« I Jesoa Kristy no nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay, mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana. »

Izaho Paoly, mpanompon'i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin'Andriamanitra, — izay nampanantenainy rahateo tamin'ny alalan'ny mpaminany ao amin'ny Soratra Masina, momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak'i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganan-ko velona araka ny fanahin'ny fahamasinana), dia i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin'ny Anarany, ary anisan'ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan'i Jesoa Kristy: — mamangy anareo rehetra malalan'Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4
Fiv.: Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy azy ny tanany havanana, nanampy azy ny sandriny masina! Ny Tompo nanambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin'ireo firenena. Tsarovy, ry Tranon'i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany. Zahao ry vazan-tany rehetra ny famonjen'ny Andriamanitray. Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo, mientàna, mihobia sy miantsà. Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna, amin'antsiva sy feon'anjomara.

Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 11, 29-42
« Tsy homena afa-tsy ny famantaran'i Jônasa mpaminany ianareo. »

Tamin'izany andro izany, nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan'i Jesoa hoe: “Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran'i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an'i Jônasa tamin'ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak'Olona koa amin'itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin'ny olona amin'itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren'i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin'itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny toritenin'i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Kômonio Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.