Alatsinainy 08 oktobra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fanombohan'ny Bokin'i Jônasa Mpaminany
Tonga tamin'i Jônasa, zanak'i Amati, ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatratý amiko ny haratsian'izy ireo.”
Niantso ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho; ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon'ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao.
Natsipinao tany amin'ny hantsana aho, dia tany amin'ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman'onjanao rehetra nandeha teo amboniko.
Dia hoy aho hoe: «Voaroaka tsy ho eo imasonao aho nefa mbola hibanjina ny Tempolinao masina.»
Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro ny Tompo aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 25-37Tamin'izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an'i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?” Ary namaly izy ka nanao hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.
Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.
Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.