Alakamisy 20 septambra 2029

Alakamisy Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tim. 4, 12-16

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte

« Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao: hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao ianao. »

Ry malala, aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an'ny mpino ianao, amin'ny teny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, ary amin'ny fahadiovana. Mandra-piaviko, milozoha amin'ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana maro mbamin'ny fametrahan-tanan'ireo Pretra tafangona. Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin'izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin'ny olona ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao ary mahareta tsara amin'izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 110, 7-8. 9. 10
Fiv.: Lehibe ny asan'ny Tompo.

He marina sady mahitsy ny Tompo. Ka ny lalany azo itokisana. Marim-pototra tsy mba mikoro ka maharitra mandrakizay.
Nandray famonjena ny olom-boafidy. Fanekem-baovao no iorenany, ka mijoro ho mandrakizay. Eny masina ny Anarany.
Ny tahotra santatry ny fahendrena, izay manoa ny Tompo ho velona. Ka ho feno ny fahalalana. Tsisy fetra ny lazan'ny Tompo.

Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 7, 36-50
« Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy. »

Tamin'izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an'i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon'ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon'ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony sady nitomany ka kotsan'ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin'ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.