Alatsinainy 17 septambra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ny angatahiko voalohany indrindra, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an'ny olona rehetra, ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason'Andriamanitra Mpamonjy antsika, izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin'ny fahalalana ny marina. Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona, izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voambara tamin'ny fotoany izany, ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny jentily amin'ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho fa tsy mandainga. Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Henoy ny feoko mihanta, fa miantso Anao aho, manandra-tanana mitodika ny Toeranao Masina.
Ny Tompo no heriko sy ampinga itokian'ny foko. Notahìny aho, ka mibitaka ny foko, ka velon-kira aho misaotra Azy!
Izy no Mpamonjy ny Voahosony! Tompo ô! vonjeo, ny vahoakanao! Tsofy rano ny Lovanao! Andraso izy ireo, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 7, 1-10Tamin'izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin'ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin'i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: “Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.