Alatsinainy 27 aogositra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
Ry kristianina havana, misaotra an'Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin'ny fivavahanay, ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan'ny fitiavanareo, ary ny faharetan'ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy Tompontsika; fa fantatray, ry havana malalan'Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo, satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa, sy tamin'ny Fanahy Masina, ary tamin'ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an'ny famonjena anareo. Niely hatraiza hatraiza ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo, sy ny nialanareo tamin'ny sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina, sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay manafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan'ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin'Ilay nanao azy; ny zanak'i Siôna hiravo amin'ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin'amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin'ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: fankalazana am-bava an'Andriamanitra, no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 13-22Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: “Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy fa hidianareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen'afo mihoatra indroa noho ianareo. Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena izay ao amin'ny tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin'izany izay mianiana amin'ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin'izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin'ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin'Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin'ny lanitra, dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, sy amin'izay mipetraka eo amboniny.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.