Asabotsy 25 aogositra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Rota
Nanana havam-bady anankiray i Nôemi, lehilahy manan-jo sy manan-karena, avy amin'ny fianakavian'i Elimeleka izy io, ary Bôôza no anarany. Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin'i Nôemi: “Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony.” Ka hoy izy namaly azy: “Andeha, anaka.” Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin'ny saha anankiray teo aorian'ny mpijinja, ary sendra teo amin'ny tanimbarin'i Bôôza, fianakavian'i Elimeleka indrindra, no nalehany.
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny Lalany. Mahazo voka-tsoa tokoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao. Ny zanakao: solofon'ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo. Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra iainanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 1-12Tamin'izany andro izany i Jesoa, niteny tamin'ny vahoaka sy ny mpianany hoe: “Efa mipetraka eo amin'ny fipetrahan'i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin'ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe mpampianatra; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.