Alarobia 22 aogositra 2029

Alarobia Faharoapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mpits. 9, 6-15

Bokin'ny Mpitsara

« Hoy ianao: Aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa ny Tompo no Mpanjakanareo fahiny. »

Tamin'izany andro izany, dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin'ny ankohonan'i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an'i Abimeleka, teo amin'ny terebintan'ny tsangambato any Sikema. Nony nilazana izany i Jôatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: “Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan'Andriamanitra anareo koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7
Fiv.: Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin'ny herinao!

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin'ny herinao sy miravo aoka izany amin'ny fandresenao! Izay irin'ny fony omenao; ny vavaky ny molony tsy lavinao!
Tsenainao tso-drano mahasambatra izy; ny lohany asianao fehiloha volamena. Ny fiainana angatahiny omenao: dia andro mitandavana mandrakizay!
Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao: fiandrianana sy laza no arakotrao azy. Ataonao fitso-drano mandrakizay izy, fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 20, 1-16a
« Sa ratsy ny masonao satria tsara Aho? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin'ny mpianany: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin'ny mpiasa izy fa denie iray avy isan'andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Kômonio Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.