Asabotsy 18 aogositra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôsoe
Tamin'izany andro izany, niteny tamin'ny vahoaka i Jôsoe nanao hoe: “Matahora ny Tompo ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamanitra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa ny Tompo. Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina; na ny Andriamanitra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo.”
Andriamanitra Tompo ô, ambeno f'Ianao re no hany ifefeko, hasambarako tokana an-tany. Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay, toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy sy nanoro ny foko hatrany. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala an-kavanako Izy; ka isaorako mandrakizay!
E ny lalan'ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany, ka nameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao, hasambarana tsy mety ritra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 19, 13-15Tamin'izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin'i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran'ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: “Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra.” Ary rahefa nametra-tanana tamin'izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.