Alahady 05 aogositra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
RAY AMAN-DRENY ANDRIAMANITRA, FA MPAMELONA ARA-NOFO SY ARA-PANAHY
Andriamanitra ô, afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy; aza ela, ry Tompo!
Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao, Mpahary sy Mpitantana; ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin'ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia, mividiàna vary ka mihinàna; avia mividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono. Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina; sy misasatra amin'izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin'izay hanina fy. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an'i Davida.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin'izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany.
Ny mason'ny voaary rehetra miandry Anao, Ianao mpamahana azy ara-potoana: ny tananao sokafanao, dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.
Marina amin'ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin'ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan'izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va sa fahaterena, sa fanenjehana sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra? Amin'izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin'ny alalan'Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana, na Anjely na fanjakana, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 14, 13-21Tamin'izany andro izany, nony ren'i Jesoa ny nahafatesan'i Joany Batista, dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an'efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka dia niainga avy amin'ny tanàna samihafa, ka nandeha tongotra nanaraka Azy. Rehefa niala tao an-tsambo Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka; ka nositraniny ny marary teo aminy. Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin'ny vohitra”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”. Dia hoy ireo taminy: “Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”. Hoy Izy taminy: “Ento aty amiko izany”. Dia nasainy nipetraka tamin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain'ny mpianany tamin'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan'ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
Ry kristianina havana, hitantsika ao amin'ny Evanjely androany fa nirohotra nankeo amin'i Jesoa ny vahoaka, satria nahita Azy nampiseho ny fitiavana maha-Ray an'Andriamanitra; koa mivavaha mba hitady Azy koa ny vahoaka ankehitriny ary hahita Azy sy hanovo eo aminy izay sakafo sy hery ho an'ny fanahy amam-batany.
Tompo ô, hainao nozaraina tamin'ny fomba mahagaga ny mofo tany an'efitra; koa ampio koa ireo tsy ampy fivelomana ankehitriny, ary vonjeo ireo noana ara-panahy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.
Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.