Zoma 03 aogositra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Levitika
Niteny tamin'i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Ireto no fetin'ny Tompo, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin'ny fotoany avy: Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana amin'ilay àty takariva iny, dia Pakan'ny Tompo. Ary ny andro fahadimy ambin'ny folon'io volana io, dia fetin'ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana ny Tompo; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay. Amin'ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo ianareo. Ary amin'ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.”
Hobio Andriamanitra herintsika! Derao ny Andriamanitr'i Jakôba! Venteso ny hira, velezo ny amponga; tendreo ny lokanga soa omban'ny valiha! Amin'ny tsinambolana sy fenomanana, tsofy ny anjomara hilanosantsika.
Fa izany no didy, ry Israely, fitsipiky ny Andriamanitr'i Jakôba, nataony lalàna ho an'i Jôsefa, fony izy niala tany Ejipta! Drey! teny tsy fantatro izany henoko izany.
Aza mitahiry andriamanitra vahiny! Aza mitsaoka andriamani-kafa! Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay nampiakatra anao avy tany Ejipta!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 54-58Tamin'izany andro izany nankany amin'ny tany nahabe azy i Jesoa, ary nampianatra tao amin'ny sinagôgany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: “Avy taiza àry no nahazoan'izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?” Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: “Eo amin'ny tany onenany sy eo amin'ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany.” Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan'ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.