Talata 24 jolay 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Nony nahinjitr'i Môizy teo ambonin'ny ranomasina ny tanany dia nohemorin'ny Tompo ny ranomasina tamin'ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano. Dia niditra teo afovoan'ny ranomasina efa tonga maina ny zanak'i Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano. Nanenjika azy ny Ejipsianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina avokoa ny soavalin'i Faraôna mbamin'ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny. Ary tamin'ny fotoan'ny fiambenana maraina, dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin'ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin'ny tobin'ny Ejipsianina. Nataony nitsoaka tamin'ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony. Ary hoy ny Ejipsianina tamin'izay: “Andeha handositra eo anoloan'i Israely isika, fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”
Noho ny fofon'ain'ny vavoronao, niangona niavosa ny rano, niantsavovona ny onjan-drano, raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano. Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra, dia hizara babo aho. Ho afa-diana aho amin'ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan'ny tanako ireny. Kanjo vao notsofin'ny fofon'ainao, dia safotry ny rano izy, ka nilentika toy ny firaka anatin'ny ranomasim-be. Naninjitra ny tananao havanana ianao, dia nitelina an'ireny ny tany. Hitondra sy hamponina azy Ianao eo amin'ny tendrombohitry ny lovanao, dia eo amin'ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô! Eo amin'ny fitoerana masina namboarin'ny tananao, ry Tompo ô!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 12, 46-50lndray andro, raha mbola niteny tamin'ny vahoaka i Jesoa, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: “Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao.” Fa izao no navaliny an'ilay nilaza taminy: “Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?” Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko. Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.