Zoma 20 jolay 2029

Zoma Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 11, 10 — 12, 14

Boky Eksaody

« Hamono zanak'ondry ianareo amin'ilay àty takariva iny; ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo. »

Tamin'izany andro izany, dia nanao fahagagana maro teo anatrehan'i Faraôna i Môizy sy i Aarona, fa nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraôna, ka tsy navelany hiala amin'ny taniny ny zanak'i Israely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18
Fiv.: Hanainga ny kapoaky ny famonjena aho, ho fiantsoana ny Anaran'ny Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, hantsoiko ny Anaran'ny Tompontsika.
Tsy zakan'ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy. Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao fa zanaka mpanompovavinao, dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho hiantsoako amy foko ny Anaranao, efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena.

Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 12, 1-8
« Tompon'ny sabata aza ny Zanak'Olona. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa namaky ny tanimbary tamin'ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana; fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe: “Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin'ny andro sabata.” Ary hoy Izy taminy: “Moa tsy novakînareo va izay nataon'i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Sa tsy novakînareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo; satria tompon'ny sabata aza ny Zanak'Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mandrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.