Alarobia 04 jolay 2029

Alarobia Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 21, 5. 8-20

Boky Jenezy

« Tsy mahazo miray lova amin'i Isaaka zanako ny zanak'io mpanompovavy io. »

Efa zato taona i Abrahama tamin'ny nahaterahan'i Isaaka zanany. Nihalehibe ny zaza dia notàzana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin'ny andro nanotazana an'i Isaaka. Ilay zanak'i Agara Ejipsianina naterany tamin'i Abrahama kosa, hitan'i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin'i Abrahama: “Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin'ny zanako, amin'i Isaaka.” Nampalahelo mafy an'i Abrahama izany teny izany, noho ny amin'ny zanany. Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: “Aza atao mampalahelo anao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin'i Sarà, ekeo avokoa, satria avy amin'i Isaaka no hiavian'ny taranaka hitondra ny anaranao. Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13
Fiv.: Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo.

Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy. Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Matahora ny Tompo ianareo masiny: fa izay matahotra Azy tsy orin'inona. Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana; izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.
Avia, rey anaka, mihaino ahy hampianariko ny tahotra ny Tompo! Iza no olona mankamamy fiainana sy maniry hahita andro mahasambatra?

Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 8, 28-34
« Tonga Ianao hampijaly ny demony amin'izao fotoana izao. »

Tamin'izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin'ny tanin'ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran'ny demony, nivoaka avy tamin'ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra? Hampijaly anay alohan'ny fotoana va no nalehanao atý?” Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin'i Jesoa ny demony nanao hoe: “Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin'iretsy andian-kisoa iretsy.” Ary hoy Izy taminy: “Mandehana.” Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin'ny kisoa; niaraka tamin'izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin'ireo olona roa nidiran'ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an'i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin'ny faritaniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.