Asabotsy 30 jona 2029

Asabotsy Faharoa ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 18, 1-15

Boky Jenezy

« Moa misy zavatra mahatalanjona tsy efan'Andriamanitra va na inona na inona? Hiverina atý aminao aho ary hanana zazalahy i Sarà. »

Tamin'izany andro izany, dia niseho tamin'i Abrahama teo amin'ny terebintan'i Mambre ny Tompo, raha ilay nipetraka teo am-baravaran'ny lainy iny izy, tamin'ilay nigaingaina iny ny andro. Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran'ny lainy, nitsena azy, ary rahefa niankohoka tamin'ny tany izy, dia nanao hoe: “Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr'itý hazo itý ianareo; dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan'aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin'ny mpanomponareo.” Dia hoy ny navalin'ireo: “Ataovy àry, araka izay voalazanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Lk. 1, 46-47. 48-49. 50 sy 53. 54-55
Fiv.: Tsy hadinon'ny Tompo ny famindram-pony.

Ny foko midera ny Tompontsika, ny saiko mifaly amin'Andriamanitra. Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy, ilay mpanompovaviny tsinontsinona.
Fa indro manomboka ankehitriny, hantsoin'ny taranaka: « Sambatra» aho. Nahavita be tamiko ilay Mahefa, ilay hoe: «Ny Masina no Anarany.»
Ilay mandrakizay ny indrafony amin'ny olon-drehetra matahotra Azy. Ilay manototra soa an'ireo noana, fa mampody maina an'ireo mpanana.
Mpanarina an'i Israely olony satria mahatsiaro ny indrafony nampanantenainy ny Razantsika ho an'i Abrahama sy izay taranany.

Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 8, 5-17
« Maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hiara-mihinana amin'i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba. »

Tamin'izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe: “Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ho avy hanasitrana azy Aho.” Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: “Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin'ny iray hoe: “Andeha ianao”, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray hoe: “Avia ianao”, dia avy Izy; ary ny ankiziko: “Ataovy izao”, dia manao izy.” Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin'izay nanaraka Azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin'i Israely. Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin'ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ny zanaky ny fanjakana kosa, dia hariana any amin'ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.” Ary hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny: “Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.” Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankiziny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Kômonio Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.