Zoma 22 jona 2029

Zoma Faharaika ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 7. 9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 11, 18. 21b-30

Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Tsy hamisavisa zavatra maro aho fa eo koa ny fiahiana isan'andro sy ny fikarakarana ny Fiangonana »

Ry kristianina havana, be no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho. Izay sahin'ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa. Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak'i Abrahama va izy? izaho koa; mpandraharahan'i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny mihoatra noho izy aho amin'izany, dia amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina manan-tombo, amin'ny kapoka manan-tombo lavitra, amin'ny fahafatesana matetika. Indimy aho, nokapohin'ny Jody inefapolo latsaka iray avy; intelo nokapohina rotsa-kazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina. Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin'ny ony, loza tamin'ny jiolahy, loza tamin'ny iray firenena amiko, loza tamin'ny jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an'efitra, loza tany amin'ny ranomasina, loza tamin'ny rahalahy sandoka; tamin'ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin'ny fiaretan-tory matetika, tamin'ny hanoanana aman-ketaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka amam-pitanjahana. Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin'izany, eo koa ny fiahiana isan'andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra. Iza no malemy ka tsy malemy koa aho? Zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho? Raha mety ny mirehareha, dia ny amin'ny halemeko no hataoko rehareha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 33, 4-5. 6-7.
Fiv.: Ny olo-marina esorin'ny Tompo amin'ny ahiahiny rehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin'ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ny Tompo hafinaretan'ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! Izaho nihanta tamin'ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 6, 19-23
« Miharia harena ho anareo any an-danitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa. Ny maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin'ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Kômonio Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.