Zoma 15 jona 2029

Zoma Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 4, 7-15

Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Ilay nanangana an'i Jesoa Kristy ho velona, dia hanangana anay miaraka amin'i Jesoa koa sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. »

Ry kristianina havana, siny tany no itondranay izany raki-pahazavana izany, mba hiharihary fa avy amin'Andriamanitra ny halehiben'ny herin'ny Evanjely fa tsy avy aminay. Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahoriana, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; entinay amin'ny vatanay lalandava ny fahafatesan'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny vatanay koa. Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny nofonay mety maty. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 115, 10-11. 15-16. 17-18.
Fiv.: Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, ry Tompo.

Natoky aho na nisy nanenjika aza, nilaza aza hoe: «Fara-fahoriana», fa taitra aho manko ka vaky hoe: «Mpandainga avokoa ny olombelona».
Tsy zakan'ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy. Ry Tompo ô, satria aho mpanompo matoky Anao, fa zanaka mpanompovavinao, dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin'ny foko ny Anaranao, efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena.

Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 27-32
« Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia manota sahady. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza tamin'ny Ntaolo hoe: 'Aza mijangajanga?' Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.