Alatsinainy 11 jona 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fanombohan'ny taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
I Paoly, Apôstôlin'i Jesoa Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy i Timôte rahalahiny, mamangy ny Eglizin'Andriamanitra izay any Kôrinto, mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia manontolo: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Izaho misaotra ny Tompo amin'ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fisaorana Azy. Ny Tompo hafinaretan'ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! Izaho nihanta tamin'ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo: sambatra ny olona mifefy aminy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 1-12Tamin'izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.
Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.
Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.