Alakamisy 07 jona 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Tôbia
Tamin'izany andro izany, dia hoy i Tôbia tamin'ny anjely: “Aiza no tianao hialantsika sasatra?” Ary hoy ny anjely namaly azy: “Eto misy lehilahy anankiray atao hoe Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.” Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana. Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray i Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo. Fa hoy i Tôbia: “Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao aloha ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanakavavinao.” Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin'io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia hidiran-doza toy izany koa itý. Mbola tao anatin'izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan'i Tôbia, no hoy itý anjely taminy: “Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin'itý tovolahy itý, fa tsy maintsy ho anjara vadin'io matahotra an'Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan'ny hafa rehetra nanana azy.” Dia hoy i Ragoela tamin'izay: “Tsy misalasala aho, fa efa noraisin'Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko; ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atý amiko, mba hanambadian'ny zanako vavy ny havany araka ny lalàn'i Môizy. Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.” Dia nalainy ny tanana havanan'ny zanany vavy nataony teo amin'ny tanana havanan'i Tôbia ka hoy izy: “Homba anareo anie ny Andriamanitr'i Abrahama, ny Andriamanitr'i Isaaka, ary ny Andriamanitr'i Jakôba, hanakambana anareo anie Izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.” Rahefa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian'izy ireo. Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an'Andriamanitra izy ireo.
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny Lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin'ny asanao ianao; ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao: solofon'oliva manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra iainanao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 28b-34Tamin'izany andro izany, nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an'i Jesoa sy nanontany Azy hoe: “Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia itý: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana; koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra ary amin'ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. Ary itý no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.