Asabotsy 26 mey 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siraka
Nataon'Andriamanitra tamin'ny tany ny olombelona, ary asainy hiverina amin'ny tany izy. Andro voaisa sy fotoa-manam-petra no naraikiny ho an'ny olombelona, ary nomeny fahefana amin'ny zavatra etý an-tany izy. Nomeny hery araka ny toetrany izy, ary nataony mitovy endrika aminy. Nasiany fahatahorana Azy ny nofo rehetra, ary nomeny fanjakana amin'ny biby amam-borona izy. Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso, sofina sy fo hihevitra. Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy; ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy. Nataony tao ampon'izy ireo ny masony, hanehoany amin'izy ireo, ny halehiben'ny asany mba hiderany ny Anarany masina, amin'ny fitoriany ny zava-mahagaga amin'ny asany. Nomeny azy ireo koa ny fahaizana, ary nampanana azy ny lalàn'ny fiainana Izy. Nanao fanekena mandrakizay tamin'izy ireo Izy, ary nanambara ny didiny taminy. Ny mason'izy ireo nibanjina ny famirapiratan'ny voninahiny; ny sofiny nandre ny fikarantsan'ny feony mahatalanjona. Ary izao no nolazainy taminy: “Mitandrema tena ianareo amin'ny tsy fahamarinana rehetra”; dia samy nomeny didy ny amin'ny namana avy izy ireo. Eo anatrehany mandrakariva ny lalan'izy ireo; tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany, no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra Azy! Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika: tsarovy tokoa fa vovoka isika.
Ny olombelona ve? Toy ny ahitra ny androny; mba mamony toy ny vonin-javatra eny an-tsaha: kanjo tonga ny rivotra, dia tsy misy intsony, tsy fantatry ny toerany intsony!
Fa ny hatsaram-pon'ny Tompo dia mandrakizay amin'izay matahotra Azy sy amin'ny dimbin'ireo, amin'izay mitandrina ny fanekeny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 10, 13-16Tamin'izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan'i Jesoa tanana, nefa notenenin'ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: “Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.” Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
Fankalazana ny Eokaristia
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.