Alahady 13 mey 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN'ANDRIAMANITRA
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!
Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak'olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr'izao tontolo izao.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly
Tamin'izany andro izany; nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly, avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema. Nony tonga, dia niakatra tao amin'ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak'i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin'i Jakôba. Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin'ny vehivavy sasany, sy i Maria Renin'i Jesoa, ary ny rahalahiny.
Ny Tompo faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, hany ataoko Anao, ry Tompo: ny honina an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra iainako, mba hankafy ny hatsaran'ny Tompo sy hibanjina ny toerany masina.
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso; iantrao aho ka valio. Tadiavo ny Tavako, hoy ianao: ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.
Taratasy voalohan'i Md. Piera Apôstôly
Ry hava-malala, mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba hanananareo anjara amin'ny fifaliana sy firavoravoana amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran'i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin'ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin'Andriamanitra. Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan'olona; fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin'izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an'Andriamanitra aza, noho izany anarana izany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 17, 1-11aTamin'izany andro izany: i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe: “Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra Anao, fa efa nomenao fahefana amin'ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an'izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao. Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin'ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao. Nitory ny Anaranao tamin'ny olona nomenao Ahy ao amin'izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy. Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy; satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy. Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo (fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin'izy ireo Aho. Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho; izy ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao”.
Ry kristianina havana, eto amin'izao tontolo izao isika, ary mila antsika izao tontolo izao, satria isika no manohy ny asa famonjena nataon'i Jesoa Kristy. Koa mangataha mba hahay hampiasa ireo fiasana sy hery natorony antsika, dia ny fivavahana sy ny fiombonam-pijaliana aminy ary ny finoana ombam-pitiavana.
Ry Jesoa Kristy Tompo ô, raiso ary akambano amin'ny vavaka nataonao ny fivavahanay; ka mba ho voninahitrao ny fiezahanay; ary tohano izahay haharitra mivavaka sy mitory ny Anaranao amin'izao tontolo izao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!
Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin'ny Eglizy rantsam-batan'i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin'Izy Filohanay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.