Alahady 22 aprily 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
I JESOA NO VARAVARAN'NY FIAINANA
Ny hatsaram-pon'ny Tompo dia manerana ny tany; ny lanitra no vita, dia ny tenin'ny Tompo. Aleloia!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba tantano izahay hiombon-kafaliana amin'ny lanitra; ka enga anie izahay andian'ondrinao osa sy malemy, hiaraka handresy amin'Ilay Mpiandry anay.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny asan'ny Apôstôly
Nony tonga ny andro Pantekôty, dia nitsangana niaraka tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy i Piera, ka nanao antso avo tamin'ny Jody hoe: “Aoka ho fantatry ny taranak'i Israely rehetra marimarina, fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin'ny Hazofijaliana iny, no nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”. Voatsindron'izany teny izany ny fon'ny olona, ka hoy izy tamin'i Piera sy ireo Apôstôly namany: “Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?” Dia hoy i Piera tamin'izy ireo: “Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy ianareo rehetra, mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an'ny zanakareo, ary ho an'izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin'ny Tompo Andriamanitsika koa”. Ary nanambara sy namporisika azy tamin'ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: “Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin'ity taranaka ratsy ity”. Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan'ny mpianatra tamin'izany andro izany.
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin'inoninona aho, fa ampiraotiny amin'ny vilo-maitso, entiny amin'ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany, tarihiny amin'ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy misy loza atahorako satria Ianao miaraka amiko, ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan'ny rafiko ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin'ny fiainana tontolo; ny tranon'ny Tompo no ho fonenako amin'ny taona mifandimby.
Taratasy voalohan'i Md. Piera Apôstôly
Ry hava-malala, raha manao soa ianareo no ampahoriana, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin'Andriamanitra. Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; dia Izy, Ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava nilaza fitaka velively; Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona, fa nanolo-Tena tamin'ny mpitsara Azy tsy ara-drariny; Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin'ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin'ny ota, fa ho velona kosa amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin'ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 10, 1-10Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny Farisianina hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika amin'ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny Azy amin'ny anarany avy sy mamoaka azy. Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony; ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony”.
Nolazain'i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon'ireo izay nolazainy tamin'izany. Ka hoy indray i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran'ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha Izaho no idiran'ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be”.
Ry kristianina havana, eo an-tsampanan-dalana sarotra, ny fiainan'izao tontolo izao: tsy maintsy hifidy lalan-kizorana ho amin'ny fiainana mba sambatsambatra kokoa izy, ka ho mamy izany miaina! Koa ndeha hiara-mivavaka isika mba hahitany an'i Kristy varavaran'ny fiainana tena izy, na ara-nofo na ara-panahy.
Ry Jesoa Kristy Tompo ô, noharinao amin'ny varavarana tsy maintsy idirana hankao amin'ny fiainana ny Tenanao: koa aza avela ho rembin'ny hafa ny ondrinao, fa sokafy ny Fonao hidirany ka hahitany ny fiainana sy hananany azy be dia be, na eto an-tany na any an-koatra.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin'ny Paka izao, ka hitohy hatrany eo aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nitsangan-ko velona Ilay Mpiandry ondry tsara izay namoy ny ainy ho an'ny ondriny ary maty ho an'ny andian'ondriny. Aleloia.
Jereo amin'ny fo tony izahay andian'ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin'ny Ra masin'ny Zanakao, mba omeo toerana soa aman-tsara, any an-tanim-bilonao mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.